Miandry Anao Ny Firenena - Jessie Tiah




Mivavaka aminao izahay ry Tompo ô

ho an'ity nosy malalanay ity

Ianao no filoha hitarainanay

raha misamboaravoara ny alondrano





[Ranomasina manonja,cyclone mafonja...

tondra-drano tsunami,hain-tany mafy ery

ny hafanana toa tsy zaka,ny ady an-trano mety hanjaka

Firenena miady lava tsy ho ela dia ho rava

ry Jesosy ô mba tantano ho tafita soa ary

ka ambeno sy sakano izay rehetra loza aty

mibaboka sy mitalaho miandrandra famonjena

Jesosy Tompo ô mba hiantrao ity gasikara mahonena]





Ref: Sambatra ny firenena manana anao

Ry Jesosy Tomponay zoky be fitia

hampanjakainao ry Ray ny filaminana

andrianinao ireo olona...





Ankininay Aminao ny fiainanay

Ianao no mahalala izay mahasoa

tsy avelanao ny vahoaka ho mosa harena

hiadam-pinaritra ny firenena



Ankininay Aminao ny fiainanay

Ianao no mahalala izay mahasoa

tsy avelanao ny vahoaka ho mosa harena

hiadam-pinaritra ny firenena





Ref: Sambatra ny firenena manana anao

Ry Jesosy Tomponay zoky be fitia

hampanjakainao ry Ray ny filaminana

andrianinao ireo olona...



Le Meilleur de toute la Musique en Paroles, Chansons et Lyrics sur www.Paroles-Lyrics.fr