SEDRANTSIKA - Francis Andriamitantsoa




Nan'T Jay ft Colombes & Francis

Prod by Nan'T Jay

Auteur: Andriamitantsoa Francis

contact: 033 79 956 32 / 033 82 719 02



Lyrics

IREO SEDRANTSIKA

Efa taona eo zay 'lay fotoana niarahana

niainana adiady, niainana hasambarana

ianao no fihantako sy izarako izay manjo

ny antony dia satria ianao no tompon'ity fo...



Taona maromaro tena nifankahalalana

na tamin'ny fahendrena; na tamin'ny adalàna

ianao mahalala ahy; 'zaho mahalala anao

tsy misy miafina intsony izay rehetra atao...



REF.

Ny antony dia satria

isika roa samy tia

tiako ianao , tiako iano, tiako ianao

dia mbola ampiako indray fa tena tiako ianao

Hatram'zay, ka hatram'zao



teo ireo nialona sy nandrava antsika

saika hamono 'ty masoandro

masoandro mibaliaka

niady ireo nandrava izay voaorina

isika kosa nanamafy 'ty fototra mafy orina



Hatrany ampiandohana dia maro ireo nisakana

niady mafy ireo isika tsy hitambatra

koa niezaka isika handresy ireo sedra

sedra tena mafy......Malala a! ao moa lesy mahereza a!





Inter...

Tsaroako ilay fotoana nifankahalalana

tsy nisy sahy niteny fa samy nihanahana

fotoana fohy tsy nieritreretina

niteraka hafanana ary koa fahafinaretana



Auteur: Francis Andriamitantsoa



Le Meilleur de toute la Musique en Paroles, Chansons et Lyrics sur www.Paroles-Lyrics.fr